1 DIA namaly Joba ka nanao hoe: 

2 Mbola atao ho fikomiana [Na: mangidy.] ihany ny fitarainako; Ny tnana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako. 

3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy Ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza! 

4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; 

5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho Sy hamantatra izay holazainy amiko. 

6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy. 

7 Fa amin'izany dia olona mazina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy. 

8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; 

9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. 

10 Fa mahalala ny llana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. 

11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny llany; Eny, ny llany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. 

12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. [Na: anjara-haniko.] 

13 Nefa tsy miova saina Izy, ka iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony. 

14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; 

15 Koa izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. 

16 Fa Andriamanitra no mandreraka ny foko, Ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; 

17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, Na ny maizim-pito izay manarona ny tavako. [Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy.]
